Гуру Песен Популярное
А Б В Г Д Е Ж З И К Л М Н О П Р С Т У Ф Х Ц Ч Ш Э Ю Я
# A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z

Ambondrona 6 - Mety ho aiza | Текст песни

Matoa mangina aho, tsy fanahy iniana.
Menatra aho ny hamaly na hanontany
Raha ny ao am-po, lafatra, faly koa,
Nomenao ny soa ho anjarako.
Marina fa hoe mankarary,
Ny antsika anie, ho hita eo ihany.

Mety ho aiza no hiafaran'ilay hazavana miampy hafanana, avy any aminao?
Nofidiko ary tiako
Ka ny ampitso hitsara ny androany.
Mirana ny aina, tsy hay tantaraina Izany no ilaina f'ho avy ilay maraina.
Marina fa hoe mankarary,
Ny antsika anie, ho hita eo ihany.

Mety ho aiza no hiafaran'ilay hazavana miampy hafanana, avy any aminao?
Nofidiko ary tiako
Ka ny ampitso hitsara ny androany.
Tsy hay tantaraina ireny,
Nangina aho tsy niteny.
Nanantena, efa ela, fa mbola ho avy ny maraina.
Tony ny saina, tsy hitaraina no andrandraina.

Ambondrona 6 еще тексты


Статистика страницы на pesni.guru ▼
Просмотров сегодня: 1
Видео
Нет видео
-