Marary ny aina tsy eo ianao Nihafy aho niharitra hatrany Nafeniko ao antiko ao mba ho ahy irery ihany Tsy tanty ´lay oe tsisy anao Na hiambo ary tsy haneo ny tomany Tsy eken´ny saiko anefa ny aina tsy hilazan´ izany
Te hiantso ny anaranao Antenaiko fa mbola hiaino ahy ianao
Androany aho mba hamela ity foko hanambara Tsy aritro intsony, tsy andriko ny hahita anao Nanahy aho ka aleko hijery ny any afara Tiako ianao, tsy hiova, tsy hanary anao
Ekeko fa varina ianao Indraindray toa tsy heno hatrany Iriko mba ho tsapanao fa mandalo ihany izany Inoko nefa indray andro any Ny hahita azy tsy anaty tomany Ho fihiniko ary anao zay mety aho Ho azy irery ihany
Te hiantso ny anaranao Ary antenaiko fa mbola hiandry ahy ianao
Androany aho mba hamela ity foko hanambara Tsy aritro intsony, tsy andriko ny hahita anao Nanahy aho ka aleko hijery ny any afara Tiako ianao tsy hiova, tsy hanary anao
Androany aho mba hamela ity foko hanambara Tsy aritro intsony, tsy andriko ny hahita anao Nanahy aho ka aleko hijery ny any afara Tiako ianao tsy hiova, tsy hanary anao