Tsy mety mionona intsony ’lay fitia Tsy mety fa mitroatra Tsy mety mitony f’efa babonao ’Zay rehetra atao tsy very dia aho F’ianao tiako loatra Ny eritreritro rehetra manaraka anao ’Reo teny mafy fanaoko toa nandratra Nihafinao hatrizay Ny fihetsiko toa tsy nitory fitia Bedibedy koa haiko fa tsy zaka Dia raozy ankiray Noheveriko fa ampy hampionona an-dry Sokafy ny fonao mba hidirako F’ianao irery ihany no afaka halala Marary anatiko ao ka mila tsy tantiko Fantatrao ihany izay tia adala Tia ka mahafoy anao aho ’Zay rehetra nankarary anao Nefa niniako foana mbola natao Hadinoy fa ny foko dia hiova vaovao Ato anatiko mahamay tsy tanty ’Lay fitia ho anao Tsy hay tohaina, tsy hay atao Fa ny fo babo loatra tsy mahatanty Tsy mahay hatrizao Atao ahoana no tianao hitiavako anao