Гуру Песен Популярное
А Б В Г Д Е Ж З И К Л М Н О П Р С Т У Ф Х Ц Ч Ш Э Ю Я
# A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z

Zay - Nolalaovanao | Текст песни

Lay nofinofy mamiko hatrizay
Lay noheveriko tsy hitohy intsony
Hoe iaina anaty fitiavana iray toy ny anaty horonan-tsary Hoe tsy ho tsaroako intsony ny rehetra
Ny saiko hangina fa ny foko hitroatra
Ho afaka hitempo fitia tsy voafetra, hitia tsy misy fepetra

Nolalovanao
vao tsapako fa hay
lay nofinofy iray
ho tanteraka amizay
Nolalovanao
ka fantatro fa ianao
ilay fitiavana iray
tanaty nofiko hatrizay

Noheveriko fa tsy mba izaho
No ho tojo olona iray dia ianao
Ka hiparitaka tsy hahalala intsony
ny ambany sy ny ambony

Nihoarako daholo ireo fefy
Tsy henoko intsony ireo zay niteny hoe tsy mety
Ny hany tspako fo feno fifaliana
fa tojo fitiavana niriana

Nolalovanao
vao tsapako fa hay
lay nofinofy iray
ho tanteraka aminzay
Nolalovanao
ka fantatro f'ianao
ilaly fitiavana iray
tanaty nofiko hatrizay
Ka fantatro f'ianao
ilay fitiavana iray
niriko ho mandrakizay

Zay еще тексты


Статистика страницы на pesni.guru ▼
Просмотров сегодня: 1
Видео
Нет видео
-