Matoa tsy mahaloa-peo aho Mitazona mafy ny tananao Dia mangovitra toy izao Matoa ny manganohano no hanambarako Ny ato am-poko, tena resy aho Matoa nataoko izao Matoa manao ny tsy fanao aho Efa hita tsy mety, voatery Fa tiako loatra ianao
Eto aho, tsy havelako eto ianao Raha tsy efa mandoro ny fonao ‘Lay afo tsy zaka anatiko ao oh Eto aho, miboredika toy ny adaladala Tsy haiko fahezina, na afenina Fa tiako loatra ianao
Tia aho, tsy misy hoe nahoana fa dia izay Lazaiko fa tiako, eny tena tiako Lazaiko indray anao Tia aho; sanatria ny hananihany anao Raha tsy maintsy ho “eny” Izao anio izao Dia ho iray ihany izaho anio izao
Eto aho, tsy havelako eto ianao Raha tsy efa ao anatinao, ‘Lay afo tsy zaka anatiko ao, oh Eto aho miboredika toy ny adaladala Tsy haiko fehezina na afenina Fa tiako loatra ianao